Ny evanjely na filazantsara na vaovao mahafaly dia karazan-dahatsoratra ara-teôlôjia ao amin' ny fivavahana maro. Tao amin' ny fivavahana rômana taloha sy amin' izao fotoana izao ao amin' ny kristianisma, ny evanjely na filazantsara dia hafatra momba ny famonjena avy amin' ny andriamanitra , mpamonjy, izay nitondra fiadanana na tombontsoa hafa ho an' ny olombelona. Tao amin’ ny fivavahana grika taloha, io teny io dia manondro karazana sorona na fanolorana ara-pombafomba natao hisaorana ny andriamanitra rehefa nahazo vaovao tsara.
Io atao hoe evanjely io dia efa nisy hatramin' ny vanim-potoana klasika tany Grisia, fara fahakeliny. Ny mpanoratra rômanina dia fantatra fa nandray azy io tany amin’ ny faramparan’ ny taonjato voalohany tal JK, ary ny Kristianina tatỳ aoriana kely. Ivon-kafatry ny kristianisma ankehitriny izy io, izay fantatra amin’ ny anarana hoe Evanjely na Filazantsara na Vaovao Mahafaly, zay mirakitra ny fitantarana an-tsoratra momba ny fiainana sy ny fampianaran' i Jesosy na Jesoa Kristy.